Dikan'ny teny : mandidy

Hampiditra dikany vaovao
1 (didy) mt.p. (mandidia). Mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena 1 Manapaka lamba amin'ny hety mba hanaovana akanjo: Iza no nandidy ny akanjonao? 1 Mandrasa nofo na manapaka taova amin'ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao? 1 Mampanao: Mandidy zaua-tsarotra loatra ianao, tompoko. 1 Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin'ny faritany? 1 Mizaka, tompom-pahefana amin'ny fananana: Mandidy ny fananako aho. Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: Manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel