Dikan'ny teny : mandona

Hampiditra dikany vaovao
1 (dona) mt.p. (mandoma): Manatsoboka, mandroboka maharitra ao anaty rano: Mandona lamba anaty rano. Ahitsio
2 (dona) mt.p. (mandonà): Mamàka, manapàka, mangona: Nandona ny bisikiletako ny fiarakodianao ka tsy maintsy mitaraina aho, / Mikapoka, mively: Mandona ny fantsika amin'ny tanany io mpandrafitra io. 1 Mipaika, mipaipaika: Misy mandona ny varavaranay isan'alina ~ F.-p.: Mandon-tratra: miaiky fa diso. 1 Mandom-bera na manao dom-bera: mifampipoka ny vera mba ho mariky ny fifampirarian-tsoa rehefa hisotro divay. / Mandom-baravarana : enti-milaza ireo mpamaky volana tamin'ny famonoam-boalavo (fa nenjehana ny mpamosavy izay mandona ny varavaran' ny olona ho fampitahorana). /Mandondom-baravarana: enti-milaza ny olona mandona varavarana alohan'ny hiditra ao an-trano no sady manao haody; h. o.: mangataka zazavavy ho vady any amin'ny ray aman-dreniny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel