Dikan'ny teny : mandrebireby

Hampiditra dikany vaovao
1 (reby) mt. p. (mandrebirebe): Mitarika ny resaka hivily lalana: Rangahy iny koa mandrebireby. ~ Manadala, manolikoly, mamitaka amin'ny hevitra manodoka: Nandrebireby ny zanako iny zazalahy iny ka lazao amin'ny ray aman-dreniny. ΒΆ M.h.: Milalao olona, manadala, mamendrivendry, mandraikiraiky, mandraviravy, manorisory, mamery andro, mampanary andro, mampitotototo, mahavery rariny, mamer?' dia, rnanary dia ny rariny. Mandrebireby, misangisangy, manao sangy mihoatra ny loha, mamazivazy, mihomehy olona, mananihany, mivarotra saka be loha. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel