Dikan'ny teny : mandrefy

Hampiditra dikany vaovao
1 (refy) mt. p. (mandrefesa): Mijery misy refy firy ny halavan'ny zavatra iray. ~ Mamantatra ny halavan'ny zavatra iray. - F.-p.: Mandrefy aloka: manao hadisoana rehefa mandrefy, na mandiso refy. / Mandrefy andro: teny fampiasa amin'ny sikidy rehefa mizarazara ny andro iray amin'ny anaram-bolana roa ambin'ny foin. / Mandrefy hazo mitsangana: enti-milaza fanaovana asa sarotra na tsy azo atao mihitsy. / Mandrefy lalana: teny enti-maneso ireo olona mamo mivembena eny amin'ny arabe. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel