Dikan'ny teny : mandrora

Hampiditra dikany vaovao
1 (rora) mt. s. na mt. p. (mandrorĂ ): Manipy rora. ? h.o.: Manebaka, manao tsinontsinona, manazimba, mamotsifotsy. - F.-p.: Mandrora gira: entimilaza olona leony tsy te hihinana sakafo matsiro. /Mandrora tsy maimbo: ilazana ireo olona manoso-dratsy ny hafa amin'ny haratsiana tsy nataony akory, manendrikendrika ho nahavita zavatra maharikoriko. I Mandrora tay maina: enti-milaza tenda toy ny makiana ka raha mitelin-drora dia tsaroana ho marary. * Ohab.: Mandrora mitsilany ka mahauoa tena: ohabolana ananarana ireo kely fisainana izay tsy mihevitra ny vokatry ny zavatra ataony mety hifotitra amin'ny tenany ihany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel