Dikan'ny teny : mandroso

Hampiditra dikany vaovao
1 (roso) mt. p. (mandrosoa): Manolotra zavatra ho an'olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an'ny vahiny. 1 mt, s.: Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-barauarana eo fotsiny. 1 Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao. 1 Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny. 1 Lasa aloha fa tsy amin'ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika. • Lasa nihoatra nankany amin'ny...; mitsopaka, manao angady be lela: Mandroso iauitra dia tauitra anatin'ny ranomasina ny morontsiraka amin'it9 toerana 1ty. / Mandroso be loatra amin'ny taniko izany asanao izany. / Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso uoninahitra intsony ilay manamboninahitra - F.-p.: Mandroso sakafo: mitondra sakafo eo anoloan' ny olona efa eo amin'ny toerana fihinanana. / Tany mandroso: ilazana nY firme-na efa tsara toe-karena, manam-pahaizana amam-pahalalana raha jerena ny ankapoben'ny mponina ary manana olo-mahay maro. J Tsara mandroso, tsara miuerina: firariana ny dian'ireo handeha lavitra ho lavorary, na eo amin'ny fandrosoana ho any na ny fiverenana hody. * Ohab.: Aleo mandroso ho faty toy izay miverin-ko may: araka ny lokanady na-tao tao Sahafa, dia nodorana velona izay miamboho ady na mihemotra, ka dia naleo nandroso ho fatin'ny fahava-]o toy izay miverin-ko dora-na, satria maty afa-boninahitra ny dorana velona noho izy kanosa. ) Mandroso, maty raibe; mihemotra, maty renibe: enti-milaza ny loza tsy azo ialana, fa mamely eo aoriana sy eo aloha. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel