Dikan'ny teny : mandry

Hampiditra dikany vaovao
1 (andry) mt, s. (mandria): Mitsotra na mivalampatra eo ambony tany na kidoro ka mitehika amin'izany ny vatana manontolo: Mahafinaritra ny mandry eto ambonin'it? kidoro malemilemy Matory: Amin'ny folo izahay no manomboka mandry. / Tapi-mandry olona. / Tamin'ny izahay nankany Mojanga dia tao Maeuatanana no nandry. 1 Mi-lamina tsy misy mpanelingelina, tony sy finaritra: Mandry izao ny saiko fa tonga soa aman-tsara ianareo. Bazana ny ranon-javatra tonga mivongana na mafy: Mora mandry ny ronono. - F.-p.: Mandry feizay: mi-lamina tsy misy fikorontanana. / Mandry fotsy: tsy misakafo hariva fa mandry amin' izao. / Mandry fahalemana: (mitovy amin'ny hoe man-dry feizay). / Mandry an-driran'antsy: mandry feno ahiahy, tsy milamin-tsaina fa toa hisy haninona ihany. / Man-dry ilika: mandry ka ny ila ihany no atao ambany. 1 h. o.: Misahirana. * Ohab.: Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika. / Mandry aman'afo: enti-milaza olona mahantra. / Mandry tsy aman'afo: enti-milaza an'ireo mpiambina taloha izay nandrinandry tsy nahazo nanao afo fandrao fantatry ny olon-dratsy na ny fahavalo ny misy azy. J Mandry tsy lavo loha: a) tsy matory fa mbola miarinarina ny loha; b) mandry amin'ahiahy, / Man-dry tsirangaranga: (mitovy amin'itsy ambony). / Man-dry maty: matory tsy mahare izay ambonin'ny tany. / Mandry ao ivohon'ny uato: mandry amim-pahatokisana tanteraka. J Mandry tsy ma-tory: be eritreritra ka tsy mahita tory. j Mandry ao ambany rar:golahy: maty milevina ao am-pasana. / Man-dry lalana: tsy vita mitampody ny dia ka tafandry amin'izay aleha. J Mody man-dry: a) tafandry lalana, izany hoe mandry eo amin'ny tanàna iray fa mbola ho any amin'ny tanàna hafa; b) maty. * Ohab.: Ny anarana mampody mandry fa ny tarehy mampiverina ilalana: tsy arakaraka ny anarany ny tarehiny. * Fiten.: Mampandry sofina: mihaino tsara izaitsizy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel