Dikan'ny teny : maneno

Hampiditra dikany vaovao
1 (neno) mt. s. (manenoa): Mamoaka feo mikarantsana (fiteny indrindra amin' ny zavamaneno tendrena na pehina na tsofina): Maneno mafy ny lakolosy fa fety ny andro. / Henonao ve izany bingona maneno izany? 1 Mihirahira (vorona): Raha vao maraina, dia heno mana-no any anaty hazo any ny voronkely. • Enti-milaza ny feom-biby madinika: Efa naneno ny sahona. • Miteniteny mafy mikarantsana, mipentsompentsona, mivatsavatsa: Loza izany raha vehiuauy; maneno ao izy no nilaozako. 1 h.o. sady f.sb: Lafo be: Maneno izany vidin'it? uatosoa it? izany.. - F-p.: Maneno akoho: teny ilazana fotoana maraimbe: Vao maneno akoho no lasa izy (toy izany koa ireto manaraka ireto: maneno akoho tokana, maneno sahona). J Akohouauy maneno: enti-milaza ny vehivavy mahery loha ao an-tokantrano ka mitondra ny lahy amin' ny sangany. f Zava-maneno na zauamaneno: anarana ilazana ireo zavatra rehetra namboarina hanao feon-kira, na tendrena izany na tsofina, na velezina. / Ray maneno: fiteny tsy dia mihaja loatra ilazana ny vola. / Izay rehetra aleha maneno sahona auokoa: na inona na inona atao, ahazoana tsiny, bedibedy; na inona na inona atao toa tsy metimety daholo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel