Dikan'ny teny : manetsika

Hampiditra dikany vaovao
1 (hetsika) mt. p. (manetseha): Manova toerana: Aza manetsiketsi-tongotra 1 Mampanonja; mampihevingevina, mampitopatopa: Manetsika ny ranomasina ny rivotra 1 Mamoha, mampipoaka indray: Tsy tokony hanetsika iny raharaha iny intsony ianao. 1 Mampientana: Nanetsika ny foko loatra ilay hira tao. 1 Mahatonga, miteraka: Manetsika ny alahelony ny fahitana ny fasana ilevenan'ny zanany. 1 Mamadika, mamono lamba: Hanetsika an-dry Ramianoka sy Ratsizehena izahay, tanna any. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel