Dikan'ny teny : manevika

Hampiditra dikany vaovao
1 (tevika) mt. p. (maneveha): Mandoaka (ny ravintsofina hasiana kavina): Iza no nanevika ny rahavavinao? 1 Mitana (amin'ny paingotra): Maneuika sary amin'ny paingotra, 1 mt,s,: Manindrontsindrona: Misy manevika ato amin'ny tratrako ato izany, - F.-p.: Manevika ny tendrombohitra: mandeha manaraka hodimirana amin'ny tehezan-tendrombohitra fa tsy manitsy ny tendrony a-vo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel