Dikan'ny teny : manga

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Sora-javatra na volon-doko fitambaran'ny maitso sy ny vony; volon-dokon'ny lanitra tsy misy rahona: Manga ny habakabaka. 1 h.o.: Tsara, mahafinaritra: Manga ny dia. / Manga feo izany raha mpihira 1 Ambony, malaza: Tsara horaketina ny tantaran'ny olo-mangan'ny firenena. i tif: Amanga, mangaina, hamangaina, voamanga / manamanga, fanamanga, mpanamanga / anamangana, fanamangana / mahamanga / mangamanga / hamanga, fahamanga / hamangana, fahamangana. - F.-p.: Manga feo: tsara feo eo am-pihirana, — entimilaza koa ny fahaizana mandrobo sy misaroro na manambaka amin'ny fiteny tsara lahatra. / Manga maso: manana maso mahatehotia manome endrika kanto ny tompony. i Olo-manga: olona mendrika manan-tombo amin'ny fahaizana, hatsaran-toetra, fikarohana ny hahasoa ny vahoaka. / Omby manga: omby dia na haolo. Ahitsio
2 a.: Karazan-kazo mamoa midoroboka misy voany maitso manopy vony rehefa masaka, izay mamy be mpankafy. Misy karazany maro ny manga: manga lava: lavalava ny voany; manga uato: tsy mba misy hozatrozatra ny voany; manga vato voasary: manga vato miendri-boasary; manga uolomparasy: volomparasy ny volon'ny voany rehefa masaka; manga uory: manga boribory kely mamy aoka izany; manga eso: manga mamy avy any avaratra; mangan' omby: manga vaventy be faroratra tsy dia manao ahoana ny tsirony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel