Dikan'ny teny : mangarona

Hampiditra dikany vaovao
1 (harona) mt. p. (mangarbna): Misava izay ao anatin'ny zavatra iray: Tratrako nangarona ny paosiko io olona io. 1 Manatsofoka ny tanana ao anaty...: Aza mangarom-bava. • Mitondra hanina any am-bava amin'ny tanana: Tana fomba ratsy ny mangarontanana rehefa mihinana 1 Miditra amin'ny toerana iray mba hangalatra: Taloha heloka mahafaty ny mangaron-dapa • Mitady hahalala, mangaroka: Oiona mangaron-dela anao izy fa mitandrema. - F-p.: Mangarom-bava: a) mampiditra ny tanana ao anaty vava;— b) maka fanahy: milaza teny vitsivitsy izay toa sintonina indray, ka ny tetehina amin'izany dia ny hitenenan'ilay iresahana betsaka. f Mangarom-biby andavaka: a) mitady loza izay tsy tokony ho avy akory. ¶ M. h.: Saka matory ka alambolombava, — b) misikotra teny mbola tsy mivoaka akory noho ny tsy faharetana. f Mangarom-biiany: mitsaba-bilany (ny mitsababilany dia tsy fanaon'ny olona ary tena mahamenatra raha any an-tranon'olona fa mampiahiahy sao manisy mosavy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel