Dikan'ny teny : mangataka

Hampiditra dikany vaovao
1 (hataka) mt. p. (mangataha): Miangavy ha-nome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy. 1 Miangavy hanao, mitalaho, mi-hanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an'Ineny. • Mifona ho an'olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin'ny lehibe. - F.-p.: Mangataka andro: miangavy fanemorana ho amin'ny andro hafa indray. / Mangata-bady na mangataka ny ho fara: mangataka zazavavy ho vady mba hananana solofo sy dimby. f Mangatadalana: manao mbay lalana na koa mangataka hahazo fahefana hanao araka izay tadiavina. / Mangataka ranomandry: miaiky amin'ny faharesena ka mibaboka sy mila fihavanana. f Mangatamanana: manao tetika ka mangataka zavatra ananana mba tsy hahavoatery hanome. f Tompony mangataka atiny: olona mangataka amin'ny zavatra izay azy ihany teo aloha (angamba olona nivarotra omby no nahatonga ny fitenenana, ka nony lafo ilay omby izy indray no nangataka ny atiny tamin'ilay nividy). f Tsy misy mangataka voa tehamaina: tsy mahadiso ny mangataka. ¶ M.h.: Mitalaho, mihanta, miangavy, mierina, mitosy, miangola, miangoty, mitambitamby, mivavaka, miambezo, mitofendro, mitampesona, mikonetaka, mifendrofendro, mitomany ambony fe, milela-paladia, mananty an-tanan-droa, manao hatapiso, manao hata-maso, manao hatak' adala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel