Dikan'ny teny : marary

Hampiditra dikany vaovao
1 (rary) p.t.: Voan'ny a retina, tsy salama, tsy meti mety: Marary ny kibony, 1 Mijaly: Marary nY foko, - t.i.f.: Maharary, farary, harary. - F,-p,: Izay marary andrianino na izay marary andriana: enti-milaza fa tokonY hokarakaraina mihoatra nY olona rehetra ny marary fa ana-nana adidy izy raha tsy voatsabo, 1 Manao anatY fo ma. harary: ny zanaka no ao anaty fo ka tiana, koa raha misy miady dia n9 an'ny tena iha. ny no ombana, / Mararin. janaka: ory sy malahelo mafy raha vao misy mahazo na midona amin'ny zanaka, / Mararin.teny: olona mors to. hina amin'izay teny reny mikasika azy ka maz?na misafoaka sy tezitra raha vao itenenana fanakianana momba azy, / Marary ouana: valaka sy malemilemy ny nofo aman-tsaina noho ny havizanana na' eritreritra na tebiteby. / Tsy marary tsy marikoditra: salama tsara tsy mi. sy aretina na kely aza, * Ohab.: Izay maharary no itoeran'nY aina: tsaroana are, mihoatra noho ny rantsam-batana hafa, ilay marary amin'ny tena, ka saika ao mandrakariva nY sains sy ny eritreritra, / Mpisikidy mila uoatsiary ka mampandihy ny marary: entianilaza ny fampanaovana olona ny tsy to. kony ho tandrify azy, i Raha tohina ny aty, marary ny afero: ohabolana enti-milaza fifandraisan-javatra roa samy hafa ka izay mahazo nY iray dia mahavoa ny ilany koa, / Tanan.kauia sy hauanana izay didia-maharary: enti-mi. laza fa samy rantsambatan' ny tena ireo ka na iza na iza voadidy aminy, dia samy ren'ny tena maharary tokoa, ? M,h,:Madisadisa, malazolazo, somazotsazoka, mavo. zovozo, marisarisa, manetsetra, mangorangorana, mafanafana, marbnaritra, marikoditra, mitsangambolo, mangovltra, mihararetra, mihovihovy, manarandefona, mipararetra, manavy, mantsa fo foka, mangovihovy, mangorintsina, Marary mafy, mahamay, mangotrakotraka, mihonaka, mandrenoka, mandranoka~ very saina, tsy mahalala olona, Maharary, manaikitra, manaintaina, mitsakotsako, manintasinta, manombotrombotra, mangirifiry, mangorintsina mamolivoly, miketriketrika, mangotsakotsoka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel