Dikan'ny teny : miadana

Hampiditra dikany vaovao
1 (adana) mt, s, (miadana): Mandeha moramora, manao moramora izay atao; tsy mahavita lalan-davitra na asa betsaka na mahalaza teny betsaka amin'ny fotoana fohy: Miadana ny fandehan' ny sokatra, / Miadam-piteny Rakoto, ~ Tsy manam-pahasahiranana, manana ny ilaina rehetra, sambatra: Miadana ny fianakavian-dRabe fa manam-be hovangoana izy ka tsy manahy na inona na inona, - F,-p,: Mihazakazaka tratran'ny miadana: enti-milaza ireo lzay manao dia maika na mirotoroto manao zavatra nefa tratran'ireo izay mande-ha moramora na maka milamina: tsy ny firotorotoana no ahavltan,javatra fa ny fanaovana am-pilaminana, ? M,h,: Maika tsy faingana toa dian'ondry, / Ny soa mampiadana na mahafladana: rehefa mamangy an-kasoavana, indrindra ny teraka, tsy azo omen-tsiny izay tsy mirotoroto fa tonga somary lavidavitra any aorfana aza. / Miadam-pinaritra: sambatra tanteraka: "Veloma, masina, ry nahafoizana ? tratraran'ny ela ka dia soava / hiadam-pinaritra lalandava". (Ny Avana) * Ohab,: Miadan-dratsy ohatra ny boka mitery: entimilaza Izay mba mahita fiadanana ihany na dia ao ana. tin'ny fahasahiranana lehibe aza, ? M,h,: (fandeha) Miadampandeha votsa dia mibanaika midanesaka, midaresaka, mitanesaka, mitsikozakoza, mikisaka midraiko, milaiko, milaikol?iko, mitsilaikolaiko, midreho, mtjebo, mikonesa, midanoka, mikidanodanoka, milakolako, milaikalafka, mi. tsitalka, midehadeha, miledaleda, miretareta, mitsiretareta, mitsiredareda, miresaresa, mirisarisa, mirezareza, mitaimedameda, mirerarera, mita. redretra, manisa dia, manisa vitsika, mampandady foza, mamindra malako, ? (fanao. van--javatra sy fihetsika): miadam-pihetsika, votsa, tsy maika, tsy rototra, somararetra, milasilasy, ela tanana mivotsavotsa, mitsivozavoza, mitavozavoza, mitsikozakoza, mihamoka, mihoninkonina, mitsirendrena, mimasimasy, mitaredretra, mitoredretra, milanona, milalotra, milalo, milamina, miladina, misamosy, maka mora, tsy maka sarotra, tsy miraika, mikirindreva, malai-mihetsika, mikisina, mibonaika, mibonenika. ? (fiteny): Miadampiteny, miadambava, votsa vava, mianoka, midanoka, miadamahefa, miadamohaka, midarona, tay rototra. ? Miadana, sambatra, finaritra, tsy sahirana, tretrika, metroka, henika, afa-draorao, afa-kopakopaka, tsy miondan-tanana, tsy mandray ravin-deno, manan-jara, tsy mandray ravin'avaratra, ma-nana ny ampY, manana amby ampy, miadana miriaria, miraondraona, miaina an-kalalahana, mianoka, migalabina, milamina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel