Dikan'ny teny : miangatra

Hampiditra dikany vaovao
1 (angatra) mt, p, (miangara): Tsy manao araka ny rariny amin'ny fizarana tombon-tsoa na amin'ny fitsarana: Mahagaga fa misy ray aman-dreny miangatra amin'ny zanany sasany, ka manome azy ireo betsaka no-ho ny hafa, amin'ny fizarampananana. ? M.h.: Mifidy tavan'olona, manao mizana tsindriana ila, manao mpitsara be kibo, manao zanaka anaty fo maharary, manisy hodi-tsirany sy hodi-peny, manao loa-bary mitahy vady, manisy tombo sy hala, manao atody mafana ila. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel