Dikan'ny teny : mifona

Hampiditra dikany vaovao
1 (fona) mt s. (mifon?): Mibaboka, mangataka famelan-keloka, mivalo: Mifona amin'ny ratsy nataoko aho, Andriamanitra. ? Mitalaho, mihanta, milela-paladia: Mifona aminareo re aho, tompoko, tongava haingana fa marary mafy i Neny. - F.-p.: Mifon-jato mifona arivo: mifona be dia be, mibaboka mafy mihitsy. ? M.h.: Mivalo, mangata-pamelana, mitsotra, mibaboka, manenina, mibebaka, mibabaka, miaiky, mile fitra, miandavo, miretaka, milela-paladia, mitolo-batana, milavo lefona, mangataka ranomandry, mifon-jato mifona arivo, mandady tongotra aman-tanana, mivalo tongotra amantanana, mihorona ohatra ny tapenaka, midaboka ohatra ny amalo-maty. Ahitsio
2 (fona) mt, s.: Tsy fampiasa afa-tsy amin'ilay fitenenana hoe mifo-nify: afaka ny nify voalohany ka misolo hafa haharitra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel