Dikan'ny teny : misaraka

Hampiditra dikany vaovao
1 (saraka) mt. s.: Mihataka: Vonjeo simà fa mua hisaraka ireto vato roa amin' ny tamboho ireto. ? Tsy miray na mikambana intsony, miendaka: Nisaraka tamin' ny uadiny Ravao. 1 Mivaky roa: Tamin'ny taonjato faha-16 no nisaraka ny Protestà sy ny Katolika. - F.-p.: Misara-bazana: tsy miray hevitra fa mifampihataka samy maka ho azy. /Misara-keuitra, misara-tsaina: tsy mitovy hevitra sy fisainana. / Misara-maina, misarapotsiny, misara-poana: samy miala tsy misy na inona na inona vita. / Misaraka tsy misy maratra: ilazana ny fisarahana vita fifanarahana ka samy tsy misy voakasika na ny andaniny na ny ankilany. / Tsy hisara-mianakavy anie!: tsodrano na firariana fanaon' ny Malagasy ka irariany mba tsy hisaraka ny fianakaviana na maty na velona. / Misaranono: enti-milaza ny zaza mitsahatra tsy minono amindreniny intsony. / Misara-panambadiana: tsy mikambana amin'ny fanambadiana intsony fa samy olon-ko azy. ¶ M.h.: Mihataka, miendaka, misara-bazana, manangana entra, miala, mialanalana, mihalangalana, misintona, mibifona, misintaka, mikipaka, mftsoaka, miempaka, mielakelaka, mizara, mivaky. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel