Dikan'ny teny : misorona

Hampiditra dikany vaovao
1 (sorona) mt. s. (misorona): Manafina na tsy milaza raha tahiny ka misy kilema mahavoa ny namana nefa tsy hitany noho ny fahamenarana: Aza misorona, tompoko, raha misy toetra tsy mahomby hitanao amin' ny zanako any am-pianarana. * Ohab.: Misorom-bady antrano ka ny tena ihany no visa: raha misy kilemam-bady nefa tsy lazaina azy mba hialany dia ny tena ihany no ho afa-baraka. Ahitsio
2 (sorona) mt. P. (misorona): Mikarakara ny firehetan'ny afo amin'ny fandrosoana kitay ao am-patana: Misorona afo. Ahitsio
3 (sorona) mt, s. (misordna): Manao sorona: Nisorona ny ondriny tsara indrindra i Abela. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel