Dikan'ny teny : misotro

Hampiditra dikany vaovao
1 (sotro) mt. p. (misotroa): Mitondra rano ao am-bava na mitroka amin'ny va-va, dia mitelina: Misotro rano amin'ny zinga. • h.i.: Misotro toaka: Mampalahelo fa nanjary nisotro Rakoto tato anatin'ny herintaona. - F,-p.: Misotro ny aleoko maty: vonona hanao zavatsarotra sy manahirana na hihatra hatramin'ny fahafatesana aza. / Misotro rano tsy tiana: enti-milaza ny reny mijaly miaritra ny mafy eo am-piterahana ny zanany. / Misotro ron-danitra: mande-ha milanjalanja loha, miavonavona. (Misotro vokaka: enti-milaza fianianana sy tokimpanompoana natao fehizay raha nisy mpanjaka vao niseho. / Misotro ny mangidy tsy telina: sendra ny mafy mila tsy ho zaka. ¶ M.h.: Manala hetaheta, miala hetaheta, miboboka, mi-, goka, manao gorodana, manao gagaka, manao gok'omby, mitohoka, manao kararana, minons. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel