Dikan'ny teny : mitahiry

Hampiditra dikany vaovao
1 (tahiry) mt. p. (mitahiriza): Manokana amin'ny toerana iray mba tsy ho lany na ho very na ho simba: Mitahiry vola hampianarany ny zanany rahatrizay izy. 1 Mitana: Tsy nitahiry afa-tsy izay boky ilainy izy fa namidiny daholo ny sisa rehetra. • Mitana amim-pitandremana, mampaharitra amin'ny toetra tsara: Nitahiry ny hadiovam-pony izy mandra-pahafatiny. • Mampaharitra: Mitahiry izao tontolo izao Andriamanitra. - F.-p.: Mitahiry an-karondoa-body: enti-milaza izay olona tsy mba manangona fa mandany izay rehetra azony. / Mitahiry an-karona tsy azom-boalavo: fiteny ilazana ny sakafo efa tonga any an-kibo. / Mitahiry te-na: mikarakara sy mitandrina ny fahasalaman'ny tena. Mpitahirin'Andriana: mpitandrina ny fananana sy ny zavajavatry ny andriana. / MPitahiry sampy: ilazana ireo olona nitahiry ny sampy fahagola, na ireo nitana sampY ivavahany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel