Dikan'ny teny : mitaiza

Hampiditra dikany vaovao
1 (taiza) mt. p. (mitaizà): Mampinono, mamelona: Nitaiza ny zanany rehetra io uehivauy io. ? Mikarakara izay hahasoa, miahy: Rakoto zokiko no mitaiza io lahiantitra io. ¶ M,h.: Mikarakara, mikajakaja, miahy, miraharaha, mikanonkanona, mamelona. • Manao izay haha-olom-banona: Mitaiza tsara ny mpianany io mpampianatra io. - F.-p.: Mitaiza kely: enti-milaza ny vehivavy mitaiza zaza mbola minono. / Mpitaiza andriana: ilazana ny mpikarakara ny mpanjaka, na amin'ny sakafo na amin' ny fahasalamany. * Ohab.: Be herehina ohatra ny mitaiza kely manetsa: enti-milaza ny olona misahana adidy maro, izay sahala amin' ny vehivavy mitaiza kely ka sady manao raharaha no mikarakara ny zanany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel