Dikan'ny teny : mitandrina

Hampiditra dikany vaovao
1 (tandrina) mt. s. (mitandrema): Mampifantoka ny saina amin'ny zavatra iray ka manao izay rehetra azo atao mba tsy hisy hahavoa ny tena amin'izany: Mitandrema tsara rehefa mihazakazaka sao potraka. ? Miambina olona, manara-maso izay ataony: Tovolahy kely iny no nitandrina ny mpianatra ka nolalaoviny fotsiny. ? Mikarakara, manolokolo, mikajakaja: Aoka hi-' tandrina ity boky ity ohatra ny anakandriamaso ianao. ? Manaraka, manatanteraka: Izay te ho voavonjy, aoka hitandrina ny didy. ¶ M.h.: Mikolokolo, manolokolo, mitity, mikarakara, mahavatra, mahakandikandy, mikajy, mikojakoja, miahy, mikononkonona, mitaiza, mitsabo. — Mitandrina, miambina, miandry, miaro. — Mitandrina, misoroka, mitsimbina, mitandro, misaindy, mandala. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel