Dikan'ny teny : mitety

Hampiditra dikany vaovao
1 (tety) mt. s. (miteteza): Mandeha manitsaka toerana maro: Mitety faritany maro. • Mamisavisa, milaza tsirairay: Mitety razana. - F.-p.: Mitety andro: mamantatra ny andro tsara sy manambina mba hanaovana na hanorenan-javatra araka ny vintan'ilay olona. / Mitety firazanana: mamakafaka ny niandohan'ny razana, mi-tanisa sy manambara ny ray aman-dreny, na ny efa maty na ny mbola velona. / Tsy mitety ny lany: tsy mihevitra izay ho lany na be na kely amin'izay atao, mandany tsy mitsinjo ny ho avy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel