Dikan'ny teny : mitohy

Hampiditra dikany vaovao
1 (tohy) mt. P.: (mitohiza): Mampiditra zavatra maro mifanarakaraka amin' ny kofehy na amin'ny tsoraby: Nitohy vakana anikeheo ny zokinay. • mt. s.: a) misy tsy tapaka, tsy misy fiatoana: Nitohy ny ranonorana nandritra ny herinandro ka uaky ny fefiloha; b) mi fanarakaraka betsaka: Nahita soaualy betsaka nitohy teny an-dalana izahay. ¶ M, h.: Manao ranolava. - F.-p.: Mitohy fangoka: enti-milaza olona manenina na adala (potipoti-kofehy nohetezana tamin'ny tenona no atao hoe fangoka, ka heverina ho misy fahavoazana ny sain'ny olona mitohy izany). / Mitohy vakana: mampiray vakana amin'ny kofehy. /Mitohy sakay: lasa adala noho ny nenina be loatra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel