Dikan'ny teny : mitory

Hampiditra dikany vaovao
1 (tory) mt. p. (mitoria): Milaza sy mivaofy ny tanin' Andriamanitra: Mahay mitory teny io mpitondra fivauahana io. Ahitsio
2 (tory) mt. p. (mitoria): Manasilaka ny tsiratsirany: Mitory zauamaniry hatao kofehy. - F.-p.: Mitory rofia, rongony: manasaratsarakany tsiratsiraky ny rofia na ny rongony hielakelaka hahazoana manohy azy ho kofehy. ! Mi-tory hisatra: mamakivaky ny hodi-jozoro alohan'ny handrariana azy. (Mitoritory ravina: enti-milaza fanaovana dinidinika eo amin'ny raharaha lehibe mikasika ny fianakaviana. Ahitsio
3 (tory) mt. s. (mitoria): Miampanga amin'ny manampahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Mahazo mitory ianao fa tsy raharahako. • Manambara, milaza: Tsy mamaly ianao rehefa anontaniana; mitory izany fa ianao mihitsy no nanao io hadisoana io. Ahitsio
4 (tory) rat. p, (mitoria): Manisy soritra manelanelana na manavaka: Mitory tanimbary. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel