Dikan'ny teny : mitovy

Hampiditra dikany vaovao
1 (tovy) mt. s. (mitouia): Mifanabaka, mifandraika, mifanaraka ny endrika na ny habe: Mitovy izy mirahalahy ireo. ¶ M.h.: Sahala, saingy misy maha-samy hafa azy kely ihany ireo teny roa ireo: ny "Sahala" dia enti-milaza indrindra fitoviam-bidy, lanja: Sahala ny anjaran'izy mirahalahy, fa ny "Mitovy" kosa dia fifanahafan'endrika na bika indrindra: Mitovy ny tarehin'izy mirahalahy. - F.-p.: Mitovy rano, mitouy tantana, mitouy lento: tsy misy avo sy iva toy ny fandrin-drano. ! Mitovy saranga: mitovy laharam-boninahitra. ¶ M.h.: Sahala, tsy misy valaka, tsy misy ivoasana, tsy misy hafa, kapoka iray, katroka iray, lasitra iray, tsy misy fankaiza, gamatra, na-vela tao, mitovy saranga, sahy mitahy, mifandanja, mifanentana, mifamatra, mifanerana, toy ny, tahaka ny, toa, ohatra, toraka, mova tsy, mahatoraka ny, mahaleo ny, tsy ambaka noho ny, tsy latsa-danja noho ny, vakin-tcaonjo roa, angady mondro sy reniakoho. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel