Dikan'ny teny : mitsahatra

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsahatra) mt. s. (mitsahàra): Mijanona, miato: Handeha amin'izay izahay fa efa mitsahatra ny orana. ? Tsy manao... intsony: Raha vao nitsaha-niteny izy dia nirefodrefotra ny tehaka. * Miala sasatra, maka aina: Sasatra izy ka nitsahatra teo ambody hazo. - F.-p.: Mitsaha-jaza: enti-milaza vehivavy mijanona tsy miteraka intsony. / Mitsahanono: zaza voasara-nono. / Mitsaha-pilana: tsy maniry na inona na inona intsony, faly amin'izay ananana. / Mitsaha-pitomboana: enti-milaza vanto-jaza tsy mitombo intsony. * Ohab.: Mitsaha-pilana ohatra ny mpivaro-baliha maty vady: enti-milaza olona voatery nijanona tsy fidiny amin'ny raharaha fivelomany fa nisy nahazo azy mifanohitra indrindra amin'io asany io. / Mitsaha-ketrika ohatra ny vary sosoa voatampo-drano: enti-milaza olona na zavatra nanajanona ny asany na nijanona tampoka fa nisy nanakivy na nanao hasomparana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel