Dikan'ny teny : mitsangana

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsàngana) mt. s. (mitsangàna): Miainga, mijoro eo ambonin'ny tongotra roa: Raha vao nantsoina ny anarany, dia nitsangana izy. * Mijoro: Efa ela aho no nitsangana teto fa tsy nisy mpampandroso. ? Miseho, mitolo-tena: Amin'izao fahalasanan'ny rainao izao, mitsangàna ho lohan'ny fianakauiana. - F.-p.: Mitsangam-bolo: enti-milaza olona na biby matahotra na koa mangatsiaka ka mitsangantsangana be ihany ny volony. / Mitsangamenatra: enti-milaza ny olona manao zavatra ampahibemaso nefa tsy mahay. / Mitsanga-mitoetra: olona miandry zavatra mafy ka tsy mahapetraka fa mbetika mitsangana, mbetika mitoetra. / Mitsangam-pe olona: ilazana ny olona afa-baraka sy tsinontsinona, tsy misy hajany kely akory fa "mitsangana fa hoe olona" fotsiny. ¶ M. h.: Mijoro, mijidina, mijaridina, mijajirika, mihenjana, mihinjitra, miridiridy, mitangezaheza, mitsatoka, miorina, miezinezina, mijalajala, mijoalajoala, manerinerina Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel