Dikan'ny teny : mitsapa

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsapa) mt s. (mitsapà): Mikasika amin'ny tanana: Isaky ny adiny iray dia mitsapa ny lohan-janany foana Ramatoa io fa atahorany sao manavy, hono. ? Manandrana: Omaly i dada no nitsapa ilay fiarakodia vao novidiny. ? Mijery izay tena toetran'ny zavatra iray mari-na: Aoka aho handeha aloha hitsapa ny halalin'ny rano. ? Mamangy amin'ny fahoriana raha misy maty: Lasa nitsapa alahelo an-dry zareo atsY auaratra i dada sy neny. - F.-p.: Mitsapa alahelo na mitsapa fahoriana: mamangy olona maty havana. ¶ M.h.: Mamangy manjo, mana lady alahelo na manalady fotsiny. / Mitsapa fanahy: manao fanontaniana hahalalana ny te-na toetran'ilay anontaniana. / Mitsapa ny ho farany: mitsinjo ny ho avy ka tsy manao zavatra tsy voadinika na mandanilany foana. / Mitsapa tain-gisa: voan'ny fahavoazana be vava. / Mitsapa vato: enti-milaza ny fitsapatsapana zavatra anatin'ny maizina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel