Dikan'ny teny : mitsara

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsara) mt. p. (mitsarà): Manapaka, manelanelana: I-zy no nitsara ny adinareo sy Rabe. / Rakoto no nitsara ny baolina tamin'ny Alahady. ? Mandanjalanja ka manapaka ny momba...: Rakoto no nitsara ireto voampanga ireto. * Manombana, milaza izay hevitry ny tena momba...: Tana nitsara azy marina ianao: olona tsy azo itokiana tokoa raha izy iny! / Aza mitsara ratsy ny namana! ? Manavaka ka milaza izay tena izy marina: Ny maso no mitsara ny volon-doko. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel