Dikan'ny teny : mitsinjo

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsinjo) mt. p. (mitsinjoua): Mitazana lavitra avy amin'ny toerana ambony: Mitsinjo ny eny an-tsaha rehetra eny izahay. • Manatrika: Tsy tsara, hoy ny Ntaolo, ny manorin-trano mitsinjo vasa lohasaha. ? Mitandrina, miambina: Mitsinjo sy mitahy ny uelona ve ny Razana? ? Mikarakara: Tokony hitsinjo ny ho auintsika isika dieny izao. - F.-p.: Mitsinjo avo auaratra: mihevitra loatra ny fananan'ny ray aman-dreny ka mihaitraitra tsy mety miasa na miahy tokantrano. / Tsinjo voron'i Mazoto: enti-milaza ireo mikendrikendry na mijerijery lavitra fotsiny raha misy haza tetehina ho azo; kanefa nony misy mahazo, manantena ny hiombona amin'ilay nahazo. / Tsy ahitamitsinjo: takariva somambisamby. * Ohab.: Tsy mitsinjo vody andro ho merika: tsy mahalala mitahiry vola ho amin' ny fotoana mety hahasahirana. ¶ M. h. : Miahy, mitsimbina, mitandrina, mandala, mitandro, misaingy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel