Dikan'ny teny : mitsoaka

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsoka) mt. s. (mitsoaha): Miala amin'izay nisy azy: Nitsoaka ny tongo-databatra fa tsy voapetaka tsara. ? h.o.: Nitsoaka tamin' ny raharahany izy. ? Nandositra: Lasa nitsoaka any alatrano Ikoto fa natahotra ny ho voakapoka. ? Mivadika amin'ny teny nataony: Tsy fanao mihitsy ny mitsoaka ny teny efa nomena (mt. p). ? F.-p.: Mitsoa-bato: miala amin'izay efa nekena. / Mitsoaka ady: mandositra ady, mampiseho hakanosana. /Mitsoaka orim-bato: mivadika amin'ny fanekena efa vita. / Mitsoa-ponenana: miala amin'ny tany nonenana teo aloha. / Mitsoa-teny: miova na mivadika ny teny natao. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel