Dikan'ny teny : mitsontsorika

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsontsorika) mt s. (mitsontsoriha): Mandroso midina: Mitsontsorika ny lohan'ny marary. / Mitsontsorika ny rambon'omby. ? Midina, misolampy, mandry soroka: Araho tsara iny lalan-kely mitsontsorika iny dia ho tonga any amin' ny halehanao ianao. ? Manorika, mikoriana manaraka ny rindrina (rano), manaraka ny takolaka (ranomaso):Nitsontsorika ny ranomasony raha vao nandre ny uoina nihatra tamin-dreniny izy. ? Mianjera ka ny loha no mandeha aloha: Niondrika teo amoron-kady izy ka nitsontsorika tany anaty tevana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel