Dikan'ny teny : mivadika

Hampiditra dikany vaovao
1 (vadika) mt. s. (mivadiha): Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ue ireo lamba mihahy ireo? ? Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana. ? Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary. ? Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro! ? Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan'ny ratsy indrindra. • Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha. ¶ M. h. : Mivadi-bolana, mivadi-dela, mivadi-belirano, mivadi-panekena, mivadi-kofaka, mivadi-bantsilana, mivadi-dratsy, mitsoa-pahana, miova fenitra, mitsoaka ny teny natao, mitsoaka orimbato, mivadika imaso toa tandrok'osy, mivadibadika toa lela may, manao tsimbadiboanampotsy, manao tsimbadik'amponga, tsy mena mivadika toa andro ririnina, miroa lela, miodina, malady ofana, mangala-belirano. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel