Dikan'ny teny : mizaha

Hampiditra dikany vaovao
1 (zaha) mt. p. (mizahava): Mandeha mijery: Lasa nizaha hira gasy izy telo mianaka. ? Mitady, mikaroka zavatra: Tapak'andro maninjitra aho no nizaha ny solomasoko. ? Mitsapa: Mizaha toetra ny mpiasa matetika ny mpampiasa. - F.-p.: Mizaha fandrin'omby: ilazana ny olona tsy mbola tapa-kevitra fa mandinidinika ny toe-javatra manodidina. / Mizaha lamba vaky: mijery fotsiny ny hadisoana na kileman'ny hafa fa tsy mba miteny mba hiovany. / Mizaha marary: entimilaza ny mpitsabo mandinika ny aretin'ny marary. / Mizaha taratra: mitsikilo, mitaratra. / Mizaha tauan'olona: mifidifidy olona ka mampiseho fiangarana indrindra raha misy tombontsoa zaraina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel