Dikan'ny teny : mody

Hampiditra dikany vaovao
1 (ody) mt. s. (modia): Miverina any amin'ny tany niaviana, tanàna na trano onenana, rehefa avy niasa na nianatra na nivahiny: Efa la-sa nody daholo ny mpianatra. / Mody isan-kariva ny mpiasa. ? Miseho ho toy ny: Mody mihaino i Koto, nefa ny sainy any Ankaratra. ? Maka tahaka: Mody adala, mody maty ny anao lahy. - Miova ho, manjary: Nody diuay ny rano tany Kanà raha uao niteny ny Tompo. - F.-p.: Mody omby: entimilaza ny fotoana fodian'ny omby ankapobeny, aorian' ny filentehan'ny masoandro. / Mody omby tera-bao: entimilaza ny fotoana fodian'ny ombivavy vao teraka, izany hoe alohan'ny filentehan'ny masoandro. / Mody mpamosauy: eo amin'ny roa maraina na mahery kely. / Mody mandry: ilazana ny olona mivahiny ka mandry indray alina any dia miverina, na tonga any amin'ny alehany dia mandry any. ? h.o.: enti-milaza koa ny olona maty. / Mampody aina, nofo, tanjaka: manome hery, sy tanjaka nananana teo aloha. / Mampody uady: enti-milaza ny fampakaram-bady taloha raha notsorina ny fanaovana azy ka ny ray arnan-dreny roa tonta no irahin'ny fianakavian-drazazavavy hanatitra ny vodiondry ary tsy misy fanasam-be am oria-mpian akavy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel