Dikan'ny teny : mora

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Tsy sarotra atao: Mora adika io lahateny io. / Mora ny maniny fa sarotra ny manao. ? Kely vidy, tsy lafo: Mora ny vary rehefa fararano. ? Malemy fanahy, malemy paika, rainazy: Tsy hahita olona mora be ohatra azy ianao. ? p. mt.: Miadana: Mandehana mora fa ratsy ny lalana (matetika ny verindroa moramora no ampiasaina amin'io hevitra io). * Amin-kalemem-panahy, tsy mitratreva: Alaina mora no fakana ny ankizy, indrindra rehefa ilay sakasakan-jaza iny izy. ? p. rat.: Malaky: Mora tezitra, mora misafoaka ny mpampianatra anay. • t.i.f.: Moraina, morainy / hamoraina / manamora, fanamora, mpanamora / anamorana, fanamorana / mahamora / moramora 1 hamora, hamorana, fahamorana. * Ohab.: Ny teny malemy mahamora harena: ny resaka am-pilaminana sy an-kamorana mahatonga ny tompontrosa halefaka, na ny teny malemy mampitony ny hatezerana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel