Dikan'ny teny : morona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Sisina (rano, lalana, tevana...): Aza manaraka ny moron-tevana raha sarotim-panina. / Nipetraka teo amoron-dalana ilay mahantra (ny amin'ny "amorona" eto dia tsy misy hafa amin' ny an amin'ny "an-tsisin-dalana, ohatra, saingy natao a amin'izy eo alohan'ny m ary nosoratana nakambana amin'ny morona koa). - t.i.f.: Manamorona, fanamorona, mpanamorona / anamoronana, fanamoronana / moromorona / amorona, amorony. * F.-p.: Moron-dranomasina, moron-tsiraka: tany an-tsisin-dranomasina. / Morontongotr'akanjo: sisin'akanjo ambany. * Ohab.: Amoron'ala tsy manan-trano be: enti-milaza olona mahantra kanefa eo afovoan'ny ilaina rehetra ΒΆ M.h.: Mangetaheta ambony lakana, mosarena manatrika ny sompitra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel