Dikan'ny teny : mpiasabe

Hampiditra dikany vaovao
1 (asa) a. na p.t.: Olona tsotra, morainy, tsy be teny ary tsy mahery fihetsika. * Ohab.: Mpiasabe vonton' anatra ka manao mbay lalana an-tsena: enti-milaza ireo olona tsotra loatra ka tsy mandinika izay tokony sy tsy tokony hampiasana ny anatra omena azy fa rehefa izay no voalaza dia tanterahiny na manao ahoana na manao ahoana. ΒΆ M.h.: Rainazy, andrainazy, jomo (jomoka), mongena, monge-mahalatsaka, malemy tsy azo, malemy maozatra, jinjinina, morabe, morainy, tsy sarotiny, mihako, konetaka, bonaika, be tsY miteny, olom-bodo, olombe, olon-kova, olon-kovabe, joko tsoriaka, manaiky lembenana, manaiky lempona, manaraka efa, entina amin' ny sangany, kofehy manarapanjaitra, malemy paika, malemy an-dranombary, manara-drenirano, manara-driandrano, manaraka ambokony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel