Dikan'ny teny : na

Hampiditra dikany vaovao
1 Teny mpampitohy. • Enti-milaza zavatra roa azo ifidianana: Fidio izay tianao na ny vola na ny voninahitra. • Enti-milaza olona, zavatra, toe-javatra daholobe tsy ankanavaka: Tonga tao daholo na lehilahy na vehivauy na antitra na tanora na kely na lehibe. Ahitsio
2 ppk.: Heverina ho niavian' ny n' na n- ihany, izay ilazana tompon-javatra, saingy tsy fampiasa intsony ankehitriny afa-tsy: 1) raha milaza vidin-javatra: Vomanga-na volafolo; 2) amin'ny filazana izay olona nikendrena zavatra iray: Trano-na miaramila; 3) amin'ny filazana mpanao asan'ny iharana raha tsy voafaritra io mpanao asa io: Vita-na Malagasy. Ahitsio
3 Kianteny atao eo alohan' ny anarana iray, izay entimanazava anarana hafa voalaza eo aloha: Dia indro Antananariuo na ilay Analamanga fahiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel