Dikan'ny teny : ndaty

Hampiditra dikany vaovao
1 (Ski) a.: Tovolahy, lehilahy, goana. 'Nde, 'Ndeha na Andeha rat.: 1) Ndeha sy Andeha: a) mampanao asa olona, mitovy amin'ny hoe "mandehana": 'Ndeha milalao amin' izay ianareo, rankizy. b) Mitaona olona hiara-hanao asa iray amin'ny tena izay miteny: 'Ndeha hiaalao amin'izay isika, rankizy (tsara homarihina, araka ireo ohatra roa ireo, fa amin'ilay hevitra voalohany (fandidiana), dia atao milaza ny ankehitriny ny matoanteny manaraka ny "andeha na ndeha", fa amin'ilay faharoa kosa (fitaomana), atao milaza ny ho avy). 2) Ndeha sy Nde: entina milaza asa na fisehoanjavatra mifanindry amin'ny asa ho avy iray: Ndeha hivoaka (na nde hivoaka) ny trano indrindra aho no nirotsaka ny orana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel