Dikan'ny teny : nefa

Hampiditra dikany vaovao
1 p, mt.: Enti-milaza hevitra mifanohitra amin'ilay voalaza eo aloha: Marary izy nefa tonga ihany. (Tsara homarihina fa manana endrika roa hafa io teny io, izay tsy dia tena mitovy fampiasa aminy: "anefa" sy "kanefa": anefa, dia fampiasa matetika eo aorian'ny teny voalohany amin'ny tapaky ny fehezanteny faharoa: Marary izy; mahagaga anefa fa tonga ihany; kanefa: fampiasa raha lavalava ilay tapaky ny fehezan-teny faharoa: Marary izy, kanefa mahagaga fa tonga ihany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel