Dikan'ny teny : nendra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Aretin-koditra sady mamohehatra no mahafaty haingana: mafana, mangotrakotraka izay voany, dia mipoitra hatina mandoaka sy mangirifiry eran'ny tena. - F.-p.: Nendra fotsy: karazan'aretina izay mora odiana. / Nendra mainty: karazan'aretina nendra tsy sitrana vetivety ary mamindra. / Nendram-boalauo: bontsimbontsina toy ny mony ary mpahazo ny zaza sady mifindra nefa tsy mahafaty. / Soki-nendra: loadoaka amin'ny tarehy rehefa sitrana ny nendra. / Mamangy nendra: famangiana marary miserana kely dia lasa (tsy mahafaly ny vangiana na ny havan'ny marary izany satria heveriny ho areti-mifindra no mahazo ny marary). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel