Dikan'ny teny : nenina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Alahelo noho ny ratsy natao, na ny tsara tsy natao, ka nahatonga fahavoazana ho an'ny tena: Neniko ny tsy namaliako ny taratasiny. ? Fibebahana amin'ny hadisoana natao. - t.i.f.: Manenina, fanenina, mpanenina / anenenana, fanenenana / neninenina. - F.-p.: Nenina be cama: nenina lehibe dia lehibe. / Afa-nenina: nanao izay rehetra azo natao ka tsy manenina intsony aty aoriana. / Ala nenina: fanaovana izay tsy hisian'ny nenina. / Miala nenina: manao izay rehetra azo atao mba tsy hisian'ny nenina. * Ohab.: Ny nenina tsy mba aloha hananatra fa avy aoriana handatsa. Ny nenina tsy mba roahina eo aloha tahaka ny ondry, fa avy manaraka tahaka ny aliaka (mazava ho azy). ¶ M.h.: Mitohy sakay, mitohy fangoka, fay, nahita faisana, mibarara, enjehin'ny fieritreretana, manongo tena, mitomany tena, mandray ny kiho, mitsapa farahatoka, manaiki-molotra, mijery soratr'omby an-tanàna. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel