Dikan'ny teny : neny

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Teny fiantsoana ny reny niteraka, na miteny azy: Nankany an-tsena i neny, na miteny aminy: Andeha hankaiza ianao, ry neny? ? hi.: Teny enti-manaja ny vehivavy efa lehibebe tokotokony ho renin'ny tena. Teny nakambana: nenibe, nenifara, nenitoa (jer. ireo teny ireo). * Fiten.: Ny voamena zaton' i dada, ny sotro rano tsy tian'i neny: enti-milaza ny fahasahiranana mafy nentin' ny ray sy ny reny amin'ny famelomana, fikarakarana ny zanaka eo amin'ny taona mbola maha-kely azy indrindra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel