Dikan'ny teny : no

Hampiditra dikany vaovao
1 Teny kely: 1) Enti-mampitohy ny teny lazaina amin' ny teny enti-milaza ka mana-valut azy amin'ny hafa: Ra-koto no sakaizako, (fa tsy Rabe na Ranaivo). 2) Entimanondro mafimafy kokoa ny toerana na fotoana, izay apetraka erY an-dohan'ny fehezanteny: Amin'ny telo no handeha izahay. / Eto no hilasy isika (mafimafy kokoa ny fanondroana ny fotoana sy ny toerana amin'ireo no-ho ny amin'ny hoe: Handeha izahay amin'ny telo. Hilasy eto izahay). 3) Fametraka eo aorian'ny teny entimanontany: Rahoviana no hiverina ny zokinao? / Taiza no nifanena ianareo. 4) Fametraka eo an-doha-fehezanteny mba hoenti-manontany anton-javatra, mitovy amin' ny hoe "nahoana": No tsy mamaly ianao kanefa anontaniana? 5) Fanao ao anatin' ny fehezanteny iray izay toa miantso, na mitaky ny antony nahatonga: Izy no nilazana izany, tetika handroboana anao. / Ny handrina no tsy naniry volo, ny henatra. 6) Mifamaly amin'ny sady ka enti-milaza toetra na asa roa miaraka: Sady lehibe no tsara / Sady mifofotra no mively vy. 7) Arahin'ny "ho", ka ireo teny roa ireo amin'izay milaza fiaingana sy fiantefana, na ilazana toerana izany na fotoana: Hatreto no ho mianavaratra dia sahan-dRakoto daholo. / Mandoa saran-dalana ny ankizy dimy taona no ho miakatra amin' ny fiarambahoaka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel