Dikan'ny teny : nono

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Organa hita eo amin'ny tratran'ny olombelona sy ny biby miteraka, izay iavian'ny ronono amelomany ny zanany raha mbola kely. - t.i.f.: Nonoina, anono, voanono / minono, finono, mpinono I inonoana, finonoana / mahanono / mampinono / ampinonoina / ampinonoana, fampinonoana. - F.-p.: Lohanono: ny tendron'ny nono. / Vatonono: ny faritra mafonafy izay azo lazaina ho vataben'ny nono. / Paza nono: fohy nono. J Lefi-nono: fomban-jaitran'akanjon'ny vehivavy. / Mampandotso nono: manao izay handehanan'ny ronono betsaka amin'ny nono. / Be minono: ilazana ny zaza efa lehibe ne-fa tsy sarahina, ary anambarana koa ny olona miankindava amin'ny hafa, tsy mahavelon-tena raha tsy ampiana. / Mpinono lehibe: ilazana ny zaza efa lehibe ka mbola te ho zaza ihany. /No-no miely: flvontosan'ny nonon'ny vehivavy mampinono ary tsy azo omena ny zazakely. * Ohab.: Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika (jer. Zanaka). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel