Dikan'ny teny : ohatra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fakan-tahaka: Ireto soratra ireto no omeo hataon'ny mpianatra ohatra rehefa manoratra izy. / Manomeza oha-pitondran-tena tsara ianareo mpitondra. ~ Sary vita amin'ny taratasy izay akana tahaka antin'ny didin'akanjo hatao: Ento any amin'ny mpanjaitra ity, fa ity no ohatr'ilay akanjo hodidiana ho any. 1 Filazana an-tsary, fanoharana: Sary an'ohatra no anaouana ny olona saro-tahotra hoe "rano an-dravina". ? Zavatra foronina mba hanazavana na hanamarinana fitsipika na hevi-teny iray: Manomeza ohatra iray momba ny fisintonan'ny tany ny zavatra rehetra halauitina azy. • Andrana: Nataoko an'ohatra fotsiny iny kabary iny fa tsy iny akory no tena izy. - t.i.f.: Oharina, aohatra, tafaohatra, voaohatra 1 manohatra, fanohatra, mpanohatra / anoharana, fanoharana / mahaohatra / ohatrohatra. - F.-p.: Oha-dia: fandrefesana amin'ny dian-tongotra. 1 Manoha-dia: 1) mandrefy amin'ny dian-tongotra — 2) mitady hitovy na hifaninana amin'ny ambony. I Oha-jaza: fombafomba arahina amin'ny fanaovana hasoavana raha maromaro ny zaza tsongoina: alahatra arakaraka ny halavany izy ireo ka volotara no andrefesana azy; tapahina izay mihoatrany lohan' ny tsirairay avy ka izany no amantarana izay lava sy fohy amin'izy ireo. J Oha-teny: fampisehoana teny mirindra sy tsara lahatra. / Tapitra ohatra: lavorary ka tsy misy sahala aminy amin'ny hatsarana. Ahitsio
2 ny ppk.: Enti-milaza ny fitoviana ara-pampitahana, ara-tsary: Miolikolika ohatra ny bibilaua ity renirano ity. / Ohatra an-dRaibeny ity zaza ity. (Misy manoratra ity teny ity "hoatra"; raha ny marina, dia teny iray ihany ity ppk. sy ny anarana ohatra fa ny tsindrimpeo fotsiny no samy hafa toerana, mitovy tsy misy valaka amin' ny tahaka sy tahàka; araka izany, dia tsy tokony ho namoronana teny iray vaovao hafa hatao ppk. fa ny anarana ohatra ihany dia ampy). ¶ M. h. Ohàtra: Tahàka, mitovy, mova tsy, ary koa ireo mitovitovy hevitra aminy; sahala amy, toy ny, toa. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel