Dikan'ny teny : ombalahy

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Lahin'omby; iantsoana koa ny olo-mahery sy malaza. - F.-p.: Ombalahim-baviantitra: h.o. zavatra na olona tiana fatratra. / Ombalahin' Andriamanitra, ombalahin-Janahary: ombalahy natokana ho an'ny sampy. / Ombalahinify: ny nify maxanitra andaniny roan'ny andrianify, izay atao koa hoe vangy. / Ombalahin-tany: baingan-tany mafy sy lehibe. / Ombalahin-tongotra: ny voditongotra. / Ombalahy antitra: ombalahy tsy matahotra na inona na inona, h.o. miaramila menavazana tsy mirai-ka na amin'inona na inona. / Ombalahy aviavy: karazan' aviavy misy tandrony anaovan'ny ankizy kiombiomby. J Ombalahy be maso: anaram-bositra nomena ireo mpanjaka roa lehibe teto I-merina: Andrianampoinimerina sy Ilaidama. / Ombalahy fanoto: ilay fanoto ataon' ny lehilahy matanjaka sahala amin'ny omby tolomina eo amin'ny fotoam-pamorana zaza. / Ombalahy lafon' ny feony na ny vavavy: h.o. olona tsy dia misy vidiny firy fa be vava fotsiny. / Ombalahy tsy mihosy: ireo ombalahy tsy mety hampihosena fa mandositra, h.o. entimilaza olona kamo, tsy mety miasa. / Ombalahy vola: sarin'omby volafotsy, / Adin' ombalahy: h,o. enti-milaza adin'ny samy ngeza eny amin' ny fitsarana. * Ohab.: Adin'ombalahin'ny mpianakauy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena: raha mpihavana no miady eny amin'ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. / Ombalahy tanimanga, ha ny tompony no mitrena ho azy: enti-milaza irony olona tsy mba mahavita zavatra raha tsy tambinana na soloana tena. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel